Skip to content

Latest commit

 

History

History
61 lines (31 loc) · 2.85 KB

README.md

File metadata and controls

61 lines (31 loc) · 2.85 KB

Mombamomba

Ity dia fanandramana mamorona klavie natao hanoratana ny teny malagasy amin'ny fomba tsy mamizana tanana, izay azo antsoina ihany koa hoe fitendry ergonomika na clavier ergonomique amin'ny teny frantsay.

Mba hahafantatra bebe kokoa momba ny antony namoronana ity fitendry ergonomika ity dia vangio ny pejy Finding an optimised keyboard layout for Malagasy (amin'ny teny anglisy) eo amin'ny blaogiko terakasorotany.com

Ny andrana rehetra mahakasika ity fitendry nohatsaraina ho an'ny fanoratana teny malagasy ity dia hita ao amin'i Keyboard Layout Analyzer on patorjk.com

Ity repository ity dia ahitana ireo installateur hahafahana mampiasa ilay fitendry ergonomika eo amina solosaina mampiasa Windows.

Topimason'ny Versiona 3.0

image

Fametrahana amin'ny solosaina

Dingana voalohany: Fametrahana (Windows 10)

Mankanesa eo amin'i https://github.com/radomd92/klavie-malagasy

image

Ampidino (download) ny rakitra ZIP izahy hahitanao ny mpametraka (installer) ny fitendry malagasy.

image

Aitaro (extract) ny rakitra ZIP ary mankanesa ao amin'ny petra-drakitra malagasy

image

Tsindrio indroa ny setup.exe. Rehefa vita izany dia tokony mahita hafatra toa ny eo ambany ianao:

image

Dingana faharoa: Fampiasana (Windows 10)

Ovay ny safidy ara-piteny (préférences linguistiques)

image

Ataovy Ajouter une langue dia soraty Malagasy

image Rehefa nampiana ny teny malagasy dia tsindrio ny options dia Ajouter un clavier

Tadiavo ao amin'ny lisitra ny hoe `Malagasy - Ergonomic Keyboard 2.2

image

Rehefa vita izany dia ao amin'ny lisitry ny fitendry azonao ampiasaina amin'izay ny fitendry malagasy.

image

image

Fanalana amin'ny solosaina

Rehefa miseho ny hafatra toa ny eo ambany dia efa afaka tamin'ny solosainao ilay fitendry:

image